Nodimandry ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina teny amin’ny Hopitaly manara-penitra eny Andohatapaneka ny Senatera Razafindratovo Ravololonirina Émilie na I Senatera Vola,
vady andefimandrin’Atoa Jean Max Rakotomamonjy, filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha. Loholona voafidy tamin’ny lokon’ny Leader Fanilo tany amin’ny Faritanin’Antsiranana izy. Tsy fantatra mazava izay tena antony nahafaty azy, raha ny nambaran’ny fianankaviany. Nitaraina ho reraka mafy izy, raha ny resaka farany nifanaovany tamin’ny loholona namany ny alatsinainy teo. Amin’ny ankampobeny, dia ireo mararin’ny coronavirus no raisina an-tànana eny Andohatapenaka, saingy tsy nisy nety nanamarina ny fianankaviany na io aretina io na tsia no nahafaty azy. Ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana no afaka mamaly an’izay, hoy ny fianankaviany. Ny azo antoka dia reraka izy satria vao avy namoy ny iraitam-po aminy miisa 2 nifanelanelana herinandro, hoy ny fanazavana. Nentina nomem-boninahitra teny amin’ny Antenimierandoholona ny vantana mangatsiakany omaly, ary anio 24 jona kosa no halevina any Andevoranto Brickaville tanindrazany. Mirary fiononana feno ho an’ny andrim-panjakana nilaozany sy ny fianankaviana manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.