Antenimierandoholona

Nampanginina ilay "fanondinkodinana 300 tapitrisa Ar..."


  • Alarobia 06 Aogositra 2025

Ny faramparan'ny volana mey 2025 teo no vaky am-batolampy ny

raharaha fanondinkodinana volabe manodidina ny 300 tapitrisa Ariary teo anivon'ny Antenimierandoholona. Efa niaiky ny fisian'io raharaha io ny Jeneraly Ravalomanana Richard, saingy tsy nanonona sora-bola. Nolazaina fa efa nametraka fitoriana ny « Direction des études et de législation » teo anivon'ity andrimpanjakana ity. Ny tenako mihitsy, hoy ny Jeneraly Ravalomanana Richard, filohan'ny Antenimierandoholona, no nangataka ny hanokafana fanadihadiana ary efa ho 2 volana izany no nandeha ao amin'ny Toby Ratsimandrava. Noho ny nanesorana ny talen'ny polisy mpanao famotorana (DPJ) eo anivon'ny zandarimaria izay nandray an-tanana ny raharaha no nampihantona izany, hoy izy ny 30 mey. Nilaza fa tsy azo ekena ny fanodikodinam-bola na aiza na aiza. Raha ny ampamoaka samihafa tamin'izany dia voalaza fa "Fonds Spéciaux" natokana hoan'ny Antenimierandoholona io, ka mbola misy 300tapitrisa Ar tsy nampiasana tamin'ny andron'i Filohan'ny Antenimierandoholona Razafimahefa Herimanana kanefa voahodinkodina. Tao anatin'ny ampamoaka dia nisy mihitsy ny sora-bola ka tompon'andraikitra ambony maromaro voakasika ka i RJ naka 54 millions d'ariary, RM Sekretera Jeneraly 53 milliariary, Komandà AST 50 tapitrisa Ariary, RAO naka 19 tapitrisa Ar,... Raha raisina nanomboka tamin'ilay hoe 2 volana lasa nambaran'ny Jeneraly Ravalomanana ny volana mey no nampanao fanadihadiana dia efa 5 na 6 volana lasa izany tsy nisy vokany. Ny mahagaga fotsiny ny fiandohan'ny volana janoary teo. Nosoloina somary mangingina ny Kestoran'ny Antenimierandoholona. Nalana tamin'ny toerany ka niverina ho loholona tsotra i Eddie Serge Fernand ka nofidiana ho amin'izany toerana izany ny loholona Mino Seramila. Inona no lesoka tao ambadiky ny fanalàna ny Kestora teo aloha Eddie Serge Fernand ? Misy hidirany amin'ity raharaha ity? Nisy fitantanana ara-bola tsy mazava ka notsotsorina tao hoe: aleo ianao akisaka? Nandray andraikitra ve ireo antanan-tohatra samihafa mikasika ny fitsirihana ny volam-panjakana sy ady amin'ny kolikoly: IGE, Bianco, SAMIFIN, PAC,... Tsy finiavana hiampanga rafitra na olona, fa ny tahaka izao dia taratry ny fitantanana tsy mangarahara sy feno kolikoly, tsy misy Fanjakana tan-dalana na "bonne gouvernance", mpitondra tsy azo itokisana,... Firifiry ireo afera sy kolikoly goavana fa vitavita ho azy, kanefa rehefa hanagadra ireo tsy mitovy hevitra tena mandeha tsy voizina. Ny raharaha trafikam-bolamena goavana maro vitavita teny, ny volamena tany anaty biraom-panjakana 46kg aza nivadika vy, ny raharaha Tale Kabinetran'ny Filoham-pirenena teo aloha voasambotry ny Fanjakana Britanika tsy noraharahian'ny Fanjakana teto, ny Air Madagascar maty sy bokan-trosa ary mbola nanara-dia azy ny Madagascar Airlines, ny Firenena ahiana tafiditra amina afera goavana sy saropady Iraisam-pirenena amin'ny famotsiana fiaramanidina,... Firenena inona no handroso amin'izany?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT