Loholona miisa 12 nahitana solontena isam-paritra avy eo anivon'ny Antenimierandoholona notarihan'ny filohany Rakotomanana Honoré no tonga nitafa sy nifampidinika
tamin'ireo Ben'ny tanàna sy ireo mpanolotsaina kaominaly avy ao amin’ny kaominina 19 mandrafitra ny distrikan’Ambatolampy, ireo olobe to teny tao an-tanàna notarihin’ny lehiben’ny distrika tany an-toerana, notronin'ireo manampahefana avy any amin’ny Faritra Vakinankaratra ny alarobia 30 aogositra lasa teo. Inona no andraikitry ny vondrombahoakam-paritra ? Io no fototry ny lahadinika. Nambaran’ny filohan'ny Antenimierandoholona fa misolotena manokana ny vondrom-bahoakam-paritra izy ireo, mihaino ary mampita ny hetahetan'izy ireo any amin'ny rafitra mpanatanteraka na ny governemanta. Miisa 1.695 ny kaominina ary 18 000 ny fokontany misy eto Madagasikara ary 63 kosa ny Loholona mandrafitra ny Antenimierandoholona. Araka izany, tsy tokony hisalasala ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny eny anivon'ny vondrombahoakam-paritra ny hanatona azy ireny satria tsy loholon'ny faritra tokana izy ireny fa an'i Madagasikara. Sambany teo amin'ny tantaran'ity andrimpanjakana ity no nahitana loholona marobe niara-nidina ifotony nitafa tamin’ireo tompon'andraikitra ary hotohizana any amin’ny faritra manerana ny Nosy. Natomboka tao Ambatolampy moa izy ity.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.