Antenimieran'ny raiamandreny foko malagasy

« Mila olom-baovao, sahy hijoro amin’ny fahamarinana isika »


  • Talata 03 Desambra 2024

miady mafy ho an'ny fiverenan'ny fiandrianan'ny firenena malagasy ny ARFM ary tena hentitra milaza fa tsy azo

ekena ny rafi-pitantanana mangeja sy mampitombo ny fahantran'ny vahoaka malagasy. Mahita ny ARFM fa tsy mendrikany renivohitr’i Madagasikara ny zavatra niseho sy ny fomba nitantanana azy hatraminizay koa misy noho izany ny fitandremana tsy maintsy atao ho an’ny fifidianana ben’ny tanana ho tanterahana ny 11 desambra 2024 ho avy izao. Mila olom-baovao isika, mila olona madio,mila olona manaja antsika ,mila olona sahy hijoro amin’ny fahamarinana isika, hoy ny ARFM. Olona vonona hampivoatra ny tanàna. Nisongadina tao anatin’ny maro ny kandida Tahina Razafinjoelina, nanetri-tena, tonga nanatona ny raiamandreny , nifampidinika sy nitafatafa momba ny faniriany. Hita hoy ny filohan’ny ARFM Rakotondrasoa Noel fa mifanaraka amin’ny hetahetan’ny raiamandreny ny programanasany satria manaja ny hasin’ny vohitra, manaja ny hasin’ny tanàna.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT