Actualités

Antenimieram-pirenena Ireo depioten’ny faritra no hanapaka ny ho avin’Antananarivo


  • Talata 12 Aogositra 2014

Mitodika eny Tsimbazaza ankehitriny ny mason’ny mpanara-baovao maro. Dinihina eny mandritra izao fotoam-pivoriana tsy ara-potoana faharoa izao mantsy ilay lalŕna fehizoro momba ny fitsinjaram-pahefana

ary voaresaka manokana ao anatin’izany ny ho fizarazana an’Antananarivo renivohitra. Vao noresahina nandritra ny fikaonandoham-pirenena teny amin’ny CCI Ivato io fikasan’ny fanjakana hizarazara an’Antananarivo io dia efa nahabe resaka. Nanomboka teo dia efa nanao ranolava ny fanambarana fanoherana izany, na avy amin’ny olontsotra mponin’Antananarivo io na avy amin’ny antoko politika. Manohitra ny hizarana an’Antananarivo ny antoko Taniko Madagasikara. Mitsipaka tanteraka izany koa ireo mpikambana ifoton’ny Tiako I Madagasikara ary miantso ireo solombavam-bahoaka enina mianadahy voafidy tamin’ny lisitra Movansy Ravalomanana tsy hifidy io volavolan-dalàna mampizarazara an’Antananarivo io. Nahitsy koa ny tenin-dRatsivalaka Michèle, depiote voafidy avy amin’ny lisitra MAPAR tao amin’ny Boriborintany Voalohany, omlay mitsipaka marindrano io fizarazarana an’Antananarivo io. Nodinganin’ny fanjakana anefa ny vahoakan’Antananarivo renivohitra, tsy mba nakana ny heviny momba io fikasana io, fa nisafidy ny hitondra avy hatrany ilay volavola eny Tsimbazaza. Mazava ny tiana hahatongavana, dia ny hankatoavin’ny solombavam-bahoaka ambongadiny azy io noho ny kajikajy politika. Eo no mipetraka ny fanontaniana, hanaovana angaredona ve izany ireo depiote 12 voafidy teto an-drenivohitra, ka ireo depiote avy any amin’ny Faritra, izay mandalo fotsiny ihany no eto, no hanapaka ny hoavin’Antananarivo ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT