Zaza menavava efa tsy nisy fofon’aina intsony no nisy nanary teny amin’ny lalamby, ambanin’ny làlana mankeny amin’ny EPP Antarandolo Fiarantsoa ny Talata maraina teo.
Olona sendra nandalo no nahita azy io izay tombanana ho efa feno volana tsara. Nofonosina lamba ilay zaza ary napetraka teo amin’ny sisin’ny lalamby. Tonga nijery ny zava-nisy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana. Marihina moa fa toerana malaza fiherehan-jiolahy sy toeram-piasan’ny mpivarotena io toerana nahitana ilay razana io. Hisy araka izany ny hetsika fanadiovana ilay toerana hataon’ny fokonolona sy ny Fokontany ato ho ato hisorohana ny tranga tahaka izao tsy hiverina intsony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.