Lehilahy iray 24 taona no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Analakely ny 20 aogositra teo noho ny fangalarana volamena tao amin’ny tranom-barotra iray etsy Antaninarenina.
Tonga nametraka fitoriana tao amin’ny biraon’ny polisy ny tompon’izany tranom-barotra izany 10 aogositra teo raha ny 06 Aogositra no nitranga ny halatra. Araka ny fanambarana izay nataony dia ny mpiambina ity toerana ity ihany no nahavita izao asa ratsy izao. Volamena milanja 30 grama izay mitentina 6 000 000 Ar no lasany tamin’izany. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny polisy nanoloana izany ary nikaroka ity lehilahy ity. Fantatra nandritra ny fanadihadiana sy ny loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo fa eny Andoharanofotsy no misy ny trano fonenan’ity olon-dratsy ity. Niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany ny polisy taorian’izany. Niaiky ny heloka nataony ity farany nandritra ny famotorana savaranon’ando natao taminy ary nilaza ihany koa fa efa namidiny 2 400 000 Ar tamina toeram-pivarotana volamena ireo volamena nangalariny. Natolotra ny fampanoavana ny alatsinainy teo ny lehilahy ary efa nidoboka am-ponja vonjimaika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.