Actualités

Antaninarenina Fankana an-keriny Hafahafa


  • Alarobia 10 Septambra 2014

Lehilahy iray tokony ho 25 taona no nobataina sy nampidirin’olon-tsy fantatra an-keriny tao anaty fiaran’izy ireo raha iny teo am-piandrasana fiara hody iny. Ny zoma alina teo no niseho ity tranga ity teny akaikin’ny banky lehibe iray etsy Antaninarenina

Araka ny angom-baovao  nomen’ny mpitandro ny filaminana dia novotsorin’ireo voalaza fa mpaka an-keriny ity tovolahy ity rehefa avy nodarohin’izy ireo sy nomeny zavatra mahadomelina sy nahafanina azy mafy. Etsy an-danin’izay koa dia voalaza fa nalain’ireo olona tao anatin’io fiara io ny solosaina entin-tanana sy antontan-taratasy maromaro miampy taratasim-bola vitsivitsy. Fotoana fohy taorian’ny nampidirana an-keriny ity olona ity  tao anatin’ilay fiara dia novotsorin’ireo mpaka  an-keriny izy izay efa badenina sy fanina ary feno ratra ka olona sendra nandalo no nahita azy teo an-tsisin-dalana no sady nitondra ity farany teny amin’ny hopitaly HJRA. Efa mandeha moa ny fanadihadiana amin’izao fotoana ka hita eo ny ho tohin’ny raharaha satria tsy fantatra marina izay tena ao ambadik’izao raharaha izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT