Basy PA victoria iray sy bala miisa fito, finday dimy, dictaphone ary antsipika no saron’ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny fokontany Antanimasaja ny alarobia lasa teo
Saika hamidy any Anjiajia ireo fitaovana ireo ka izao izy tratra izao. Olona roa lahy dia i Ndimby sy Romaric no tompon’antoka tamin’ny fikasana hamarotra ireo fitaovana ireo. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro ny filaminana dia ny 09 jona 2014 no efa any Anjiajia ny basy sy ny bala ka tao amin’ny tranon’i Ndimby izy ireo no tratra. Taty aoriana dia nandeha ny fanaraha-mason’ny mpitandro ny filaminana ka tratra ihany koa i Romaric niaraka tamin’ny bala fito sy ireo fitaovana maro. Ny fikasana hamarotra io fitaovana io moa no teti-dratsin’izy ireo ka izao tratra izao. Hatreto aloha dia tsy mbola fantatra ny loharano nipoiran’ireo fitaovana nagalarina fa mbola mandeha ny fanadihadiana ataon’ ny mpitandro ny filaminana. Omaly zoma no niakatra fitsarana ity raharaha halatra basy sy bala ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.