Actualités

Antanimalandy Mahajanga Fiara 12 sy trano iray may kila forehitra


  • Talata 23 Mey 2023

Camions citernes plateaux 2, tracteurs 4, remorques bâchés 3 ary remorques citernes 3 no kila hotohoton'ny afo tao amina garazy iray teny Antanimalandy,Mahajanga,

omaly Alatsinainy 22 may atoandro . Raha araka ny fantatra dia fipoahana mafy tamina kamiao citerne iray no nanaitra ny rehetra tokony ho tamin'ny 12 ora sy 10 minitra atoandro. Nijoalajoala vokatr’izany ny afo avy eo ary nihitatra tamin'ireo kamiao citerne sy remorque hafa. Tafakatra 12 isa ireo fiara may kila forehitra noho izany. Mitohy ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana. Mbola niredareda rahateo ny afo omaly hariva hatramin’ny 6 ora mahery 12 minitra. Na izany aza miezaka ny mifanotrona sy mifanome tanana ny mpamonjy voina. Nanao ny asany ihany koa ireo mpitandro filaminana mitambatra. Marihina moa fa ankoatra ireo fiara ireo dia trano fanitso efitra roa ihany koa no may kila . Rava tanteraka ny entana rehetra tao anatiny noho izany raha tsy nisy tao an-trano ny tompon-trano. Trano mifanila vodirindrina tamin'ilay garazy nisy fipoahana moa ireo lasibatra ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Afo nahatsiravina tahaka izao no nandravarava ireo fiara 12 isa sy ilay trano iray
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT