Actualités

Antanifotsy Vakinankaratra Omeo ny Fokonolona ny fitantanana ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany


  • Alakamisy 12 Jona 2014

Anisan’ny Distrika ahitana harena ankibon’ny tany betsaka ny any Antanifotsy Vakinankaratra raha ny nambaran’ny depiote Randriamampianina Ramilison.

Hita ao avokoa mantsy na volamena na vatosoa isan-karazany saingy olon-kafa ivelan’ny tanàna no mitrandraka azy ireny ka tsy ahitan’ny mponina any an-toerana tombony mihitsy na kely aza. Vokany,  saika mandao ny tanàna miakatra an-tanàn-dehibe avokoa ny ankamaroan’ny olona manao asa an-tselika toy ny varo-mofo sy kafe na miasa an-trano mihitsy aza. Azo atao anefa ny manova izany raha ny hevitr’ity solombavambahoaka voafidy tany an-toerana ity. Havondrona anaty fikambanana vitsivitsy ny fokonolona dia homena azy ny fitaovana hitrandrahana ireo harena sesehena ireo ka hanana asa avokoa ny any an-toerana, afaka handoa hetra amin’ny fanjakana ary mba handray ny tamberimbidy amin’ny vokatra ihany koa ireo Kaominina. Izy ireo ihany koa no hirotsaka an-tsehatra hiaro ny tontolo iainana satria azy ireo ny tany ka tena hahasarotiny azy. Mba hisy fifaninanana matotra koa eo amin’izy ireo sy ireo olona mpitrandraka hatrizay izay tsy maintsy hiantso ny olona ao an-tanàna koa mahita izany fihetsika izany.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT