Actualités

Antanifotsy Vakinankaratra Mpangalatra omby saika niharan’ny fitsaram-bahoaka


  • Alatsinainy 14 Jolay 2014

Nisy omby iray very tao Antanifotsy Vakinankaratra ny alin’ny zoma 11 jolay teo. Niantso ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny polisy Antanifotsy ny Fokonolona ka raikitra ny fanenjehana ireo mpangalatra

. Lehilahy iray no tratra ny alin’io ary efa saika hovonoin’ny Fokonolona. Tsy nanaiky ity fitsaram-bahoaka saika hatao ity ny Polisy ary nanazava tamin’ny Fokonolona fa tsy hita ny marina mikasika ireo namany raha maty io ka dia nilefitra ihany ny Fokonolona. Tamin’ny famotorana dia nanondro ny namany izy ka dia tafakatra dimy ireo olona voasambotra izay samy avy ao Antanifotsy ihany. Hatolotra ny Fitsarana anio alatsinainy, 14 jolay 2014 izy ireo. Efa naverina amin’ny tompony kosa ilay omby.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT