Actualités

Antanifotsy Tsy hisy fampandrosoana vanona raha tsy vita ny lalana


  • Zoma 04 Jolay 2014

Voafetra ihany ny fotoana nametraham-panontaniana tamin’ilay fifanatrehana nivantana tamin’ny governemanta ny alakamisy 3 jolay, hoy ny depiote Randriamampianina Ramilison avy any Antanifotsy Vakinankaratra, ka tsy tena voazava tsara ny amin’ny olana famoaham-bokatra any aminay.....

. Haveriko, ombieny ombieny,  hoy izy, fa tsy hisy fampandrosoana ho vanona mihitsy raha tsy vita ny lalana mamakivaky ny distrika manontolo any, miainga any amin’ny kaominin’Ambatolahy mipaka hatrany Soanindrariny. Efa nalefanay nivantana any amin’ny minisitry ny asa vaventy moa ny fangatahana ny amin’izany, hoy izy. Mbola fangatahana hafa ho anay any an-toerana koa, hoy ity depiote ity, ny mba hananganana ozinina hanodina ny garana sy paoma ho lasa ranom-boankazo natoraly ara-dalàna fa ankehitriny dia lo sy simba fotsiny ireo vokatra ireo fa tsy tafavoaka noho io faharatsian’ny lalana io. Fanirianay fahatelo izay famerimberiko rehefa miresaka aminareo mpanao gazety, hoy ny depiote Ramilison, ny hanomezana ny tantsaha ny fiantsorohana mivantana ny fitrandrahana vatosoa any Antanifotsy amin’ny alalan’ny fananganana fikambanana mba hananan’ny tanora asa mahavelona ka tsy hirenireny fahatany manerana ny tanàna fotsiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT