Tovolahy iray tokony ho 25 taona indray no voahitsaky ny fiarabe tao amin’ny fokontany Antanifotsy ny marainan’ny talata 2 septambra lasa teo. Raha ny nambaran’ireo nanatri-maso dia teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Marolambo no nitrangan’izany tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo.
Voalaza fa avy tao amin’ny ny toeram-pivarotana iray ary nisotrosotro tao ity farany. Raha vao nivoaka ny trano fivarotana anefa izy dia nianjera ary nifanandrify tamin’ny fandalovana fiarabe iray ka voahitsaky ny kodiarana teo aloha, izay efa tsy tazan’ilay mpamily intsony. Taitra noho ny feo nipoaka vokatry ny hitsaka ilay mpamily ka nijanona ary nijery. Olona efa mitsirara amin’ny tany anefa no hitany. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy fa ny tongotr’ilay tovolahy no tapaka. Raha ny nambaran’ny mponina avy any an-toerana dia anisan’ny be mpampiasa iny lalana mihazo an’Antanifotsy iny ary efa manahirana ny fifamoivoizana noho ny hateren’ny lalana sy ny fifamezivezen’ny olona ka mahatonga ny loza matetika.tyle type="text/css">
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.