Antanifotsy Ilempona

Vaky ny karieram-bolamena, nirohotra ny vahoaka…


  • Talata 27 Febroary 2024

Nisy fahavakisana ny karieram-bolamena tao Antanifotsy Ilempona ao amin'ny fokontany

Andrefaniala ka toy izao ny vahoaka nirodorodo samy mba miady izay ho anjarany, hoy ny vaovao niparitaka hatry ny omaly. Tena vahoaka sesehena tokoa no nirohotra any an-toerana, izay marihina fa ao amin’ny Faritra Vakinankaratra no misy io toerana. Endrika maneho fa tena sahirana ny olona, ka halaim-panahy hoe : sao mba any no mahita fanavotana. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : azo hitrandrahana ve eo amin’ilay toerana ? Tanim-panjakana sa tanin’olon-tsotra ? Ny harena an-kibon’ny tany dia sokajiana hatrany ho fananam-panjakana ka hiverina ve ny sary toy ny tany Bealanana nisy toeram-pitrandrahana vatosoa hitan’ny mpiandry omby ka nirohotra ny olona. Nisy olom-panjakana naheno ka tonga ihany koa. Nogadraina avy ny sasany tamin’ireo olon-tsotra ! Mila fantarina sy ianarana ary fehezina ny harena eto mba tena ho fanohitra hiadiana amin’ny fahantrana.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT