ANTANETIKELY AMBOHIJOKY

Lehilahy lasan’ny rano ifampitadiavana


  • Talata 20 Febroary 2024

Lehilahy iray manodidina ny 30 taona eo ho eo no fantatra fa lasan’ny

rano tao Ampany, kaominina ambanivohitra Antanetikely Ambohijoky, distrikan’Atsimondrano omaly Alatsinainy 19 Febroary maraina. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia niampita renirano io lehilahy io no izao tra-doza izao. Tombanana ho nibolisatra izy nandritra izany saingy tsy nahita nifikirana ka nilentika ary tsy mbola hita hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Tsy nitsahatra ny nikaroka azy ny fokonolona nandritra izany. Fanapahan-kevitra noraisin’ireto farany moa ny hiantso ireo karazan’olona mahay rano mba hahafahana mahita ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy iray ity. Tsiahivina moa fa saika niakatra avokoa ny renirano teto amintsika vokatry ny rotsak’orana tsy niato tato ho ato. Ilana fahamailoana araka izany ny fiampitana amin’izy ireny hisorohana ny loza mety hitranga tahaka izao. Tokony hitandrina ihany koa ireo lakana mpitatitr’olona…. manoloana izany.
Pati
Legende : Ity ilay renirano nitelona olona tao Ambohijoky !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT