ANTANETIBE MAHAZAZA

Atody 300 000 isan'andro


  • Alarobia 07 Oktobra 2026

ny mivoaka ao…

Tanàna iray anisan'ny tena mpamokatra atody be indrindra eto amin'ny Faritra Analamanga ny ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Antanetibe Mahazaza izay misy Fokontany miisa 19. Manodidina ny 300. 000 isa isan'andro ireo atody mivoaka ao aminy amin’ny alalan’ny fiompiana akoho manatody lava, izay hamatsiana an'Antananarivo sy ny manodidina. Misedra olana goavana anefa ireo tokantrano mivelona amin’izany ankehitriny. Mila tsy haharaka intsony ny akora fototra hamahanana ireo akoho hany ka voatery mampiakatra ny vidin’ny atody sy ny akoho fakana nofony izy ireo. Ny katsaka no nambaran’izy ireo fa tena olana. Tsy ny akoho irery mantsy hoy izy ireo no mihinana izany fa mbola betsaka koa ireo olona manao azy io ho foto-tsakafo indrindra fa ny any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy. Voatery manafatra katsaka any ivelany noho izany isika eto Madagasikara. Hetahetan’ireo tantsaha mpiompy akoho manatody lava ao Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo noho izany ny tokony hijeren’ny Ministeran’ny fiompiana io olana sedrain’izy ireo io. Misy fiantraikany mivantana any amin’ireo mpanjifa mantsy izany toy ny fiakaran’ny vidin’ny atody izay lasa 800 Ar ny iray eny an-tsena raha 700 na 750 Ar teo aloha. Ho an’ireo karazany mba lehibebe io. Lasa 15.000 Ar kosa ny iray kilao amin’ny akoho fakana nofony raha mbola nisy 14.000 Ar teo aloha.
Pati
Legende : Niakatra ny vidin’ny atody eny an-tsena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

Hijery ny tohiny
FTT