Actualités

Antananarivo Zazalahy kely 18 volana, naolan’ny mpanampy


  • Alarobia 11 Novambra 2020

Mirongatra sy mahazo vahana ny fanolanana eto amintsika. Zazalahy kely vao 18 volana indray teto an-drenivohitra no naolan’ny lehilahy mpanampy azy.

 

 Raha araka ny fantatra dia tamin’ny fotoana nandehanan’ny Renin’ity zaza ity niasa no nanararaotan’ilay tsy mataho-tody nanolana azy raha tsy nisy olon-kafa ihany koa tao an-trano. Tsy naharitra ela moa fa vetivety foana dia hita ny zava-nanjo ity zaza ity noho ny taraina sy ny fahasorenana nahazo azy. Tonga niresaka sy nitafa mivantana tamin’ny Renin’ity zaza ity ny vadin’ny Filoha Mialy Rajoelina izay Renin’ny Malagasy rehetra no sady filohan’ny fikambanana Fitia ny alatsinainy lasa teo. Tohana tanteraka ny fony nahita ireo zaza voaolana hitan’ny masony tamin’io andro io ka nampametra-panontaniana azy ny mikasika ny antony mahatonga ireo lehilahy hampijaly zaza tsy manan-tsiny tahaka izao. Nankahery sy nanohana ireo Ray aman-dreny amin'ny fitsaboana manontolo ilay zaza moa Ramatoa Mialy Rajoelina ary fantatra fa hanaraka ny raharaha hatreny amin’ny fitsarana mba tsy hisy intsony ireo tsy maty manota.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT