Actualités

ANTANANARIVO – TOLIARA Niakatra 45 000 ariary ny saran-dalana


  • Zoma 08 Aogositra 2014

Niakatra 45 000 ariary raha 35 000 ariary teo aloha ny saran-dalana mampitohy an’i Toliara sy Antananarivo efa ho tapa-bolana izao, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitry kaoperativa zotra nasionaly iray ao Toliara

Tsotra ny antony fotoana mahamaro mpandeha izao vakansy izao ka manararaotra taoriana kelin’ny fiakaran’ny vidin’ny solika farany teo iny. Raha ny nambaran’Atoa Sata filohan’ny kaoperativa « Trans Wel », iray amin’ireo kaoperativa 23 misy ao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana, dia fiara telo na efatra isan’andro no miainga avy any Toliara ho aty an-drenivohitra, raha toa ka iray na roa izany teo aloha. Raha ny fanazavana « io saran-dalana Ar 45 000 dia fanapahan-kevitra efa tokony nampiharina ny taona 2010, ary tao anatin’ny efa-taona, indimy niakatra ny vidin-tsolika miampy ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja fanolo amin’ny fiara, ny karaman’ny mpiasa, ny hetra sy ny haba, nefa tsy nikitika fampiakarana saran-dalana mihitsy izahay noho ny fitsinjovana ny vahoaka ».

Tokony hifanaraka amin’ny saran-dalana ny tolotra homena


Tamin’ny fanadihadiana natao tetsy sy teroa no nahafantarana fa toa tsy mahataitra ny mpandeha intsony izao fiakarana izao, satria efa mahazaka azy ireo isaky fotoam-pialan-tsasatry ny mpianatra mahamaro ny mpandeha. Na izany aza tokony hifanaraka amin’ny saran-dalana niakatra ny tolotra omena ny mpandeha, fa tsy fiara efa godraka sy manary an-dalana tsy manara-penitra intsony, mbola miasa sy mitatitra ka mampitaintain-dava ny. Ny asan-dahalo mpanakan-dalana amin’ny lalam-pirenena etsy andaniny mbola tantara hafa.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT