Tahaka ny tany Toamasina sy Antsirabe dia tapaka tampoka ny herinaratra teto Antananarivo renivohitra sy ireo faritra manodidina azy omaly alahady teo anelanelan’ny tamin’ny 12 ora ka hatramin’ny tamin’ny 1 ora sy sasany atoandro.
Tsy oram-baratra, tsy loza be anefa no nitranga ka hoe nitarika olana ara-teknika.Noezahana nantsoina ny tao amin’ny Jirama fa tsy nisy nandray ny telefaonina.Asa na fifandrifian-javatra na ahoana fa tao anatian’ny fotoana nampafana ny fampielezan-kevitra natao teny Andohatapenaka sy Antsonjombe mihitsy io ora nahatapahan’ny herinaratra teto Antananarivo io ; tsara ho marihana ihany fa mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena sady HVM mafana fo no filohan’ny filankevim-pitantanan’ny Jirama.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.