ANTANANARIVO SY NY MANODIDINA

Misy zaza very hatrany saika ho isan’andro


  • Alarobia 14 Febroary 2024

Zazavavy kely iray monina eny Itaosy Atsimondrano eny indray

omaly Talata 13 Febroary no fantatra fa nanaovana ombay mitady satria tsy hita. Niala tao an-tokantranony tamin’ny Alatsinainy maraina tokony ho tamin’ny 09 ora teo ho eo izy io, ary tsy mbola nody hoy ny vaovao. Fanamiana fanaovan’ny mpianatra eo anivon’ny CEG Itaosy fanatanjahantena no fantatra fa nanaovany. Tsy niandry ela moa fa avy hatrany dia nampita ny vaovao reny momba ny fakana an-keriny ny zanaky ny namany tamin’io andron’ny Alatsinainy io ihany koa Rtoa Antso Bommartin tao amin’ny kaontiny manokana mba hahafahan’ny Ray aman-dReny rehetra mitandrina. Raha araka ny fanazavany dia fiara 4x4 mainty vitre fumé ilay naka an-keriny ilay zanaky ny namanay. Vehivavy metisse sa tena vazaha (miteny vazaha) miaraka amina lehilahy malagasy samy 50 taona eo ho eo no mampiresaka ilay zaza ka novainy ho Emelie no anarana fiantso ilay zaza, hono, ary izy ireo indray no Ray aman-dReniny vaovao. Nomen’ireo olona ireo zava-mahadomelina ilay zaza ka tsy tompon’ny tenany intsony saingy avotra soa aman-tsara ihany. Miantso ny Ray aman-dReny mba ho mailo ka hanatitra sy haka an-janany rehefa mianatra, tsy hanirakiraka azy ireny handeha irery any ivelan’ny tokantrano ary arahina hatrany na dia hivoaka any any am-piangonana ity Renim-pianakaviana sady olona manana ny maha-izy azy manokana eto amintsika ity. Pati
Legende : Ity ilay zaza nanjavona teny Itaosy teny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT