Antananarivo sy ny manodidina

Miakatra ny rano, vahoaka an’arivony iharan-doza


  • Alatsinainy 17 Febroary 2025

Vahoaka marobe eto an-drenivohitra sy ny manodidina no fantatra fa miaina anaty

rano taorian’ny ranon’orambe nisy teto an-drenivohitra sy ny manodidina nanomboka zoma 14 febroary hariva lasa teo. Ireo faritra iva no tena lasibatra izay miara-miaina amin’ny maloto mitsingevana ny ankamaroany. Sahirana ny mponina vokatr’izany. Maromaro ireo ahiana tsy maintsy hiala na handao ny tokantranony vokatr’izany. Toy ny etsy amin’ny Fokontany Avaratetezana kaominina Ampitatafika, lalovan’ny reniranon’i Sisaony… izay efa niditra an-tsehatra ny Birao misahana ny loza sy tandindon-doza na ny BNGRC nanala sy nanavotra ireo olona noho ny loza mihatra. Tsiahivina moa fa afak’omaly Sabotsy 15 Febroary dia fantatra fa teo anelanelan’ny 50 ka hatramin’ny 80mm ny haavon’ny rotsak’orana teto amintsika, raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Mila mitandrina ny rehetra manoloana izany mba hisorohana ny loza mety hitranga toy ny tamboho na tany mihotsaka…. Asan'ireo faritra voa mafy isaky ny vanim-potoan'ny rotsak'orana tahaka izao ny Kaominina Anosizato Andrefana. Fokontany miisa 3 no dibodrano hatramin'ny omaly ka voa mafy ao anatin'izany ny fokontany Antandrokomby. Tokatrano miisa 386 ao anatin'ny kaominina Anosizato Andrefana no traboina hatramin'ny omaly, izay ahitana olona manodidina 1903 araka ny tarehimarika avy avy amin’ny ben’ny tanàna navoakan’ny HCC, izay Efa nafindra Amina toerana azo antoka ety Anosizato ihany. Omaly tamin’ny 6ora hariva, tafakatra 2564 ireo traboina vokatry ny fiakaran'ny reniranon'i Sisaony eny amin'ny Antananarivo Atsimon'drano sy Ambohidratrimo ary Tanà II. 1676 kosa ireo olona nafindra toerana.
ENCADRE
Mipetraka ny fampitandremana miloko MENA amin’ny fiakaran’ny rano vokatry ny fahabetsahan’ny rotsak’orana. Hahazo vahana hatrany ny oram-pahavaratra saika manerana ny Nosy ato anatin’ny roa andro manaraka, raha ny filazana omaly. Mety hanatombo kokoa izany amina toerana sasany amin’ny afovoan-tany sy Atsimo Atsinanan’i Madagasikara (40 hatramin’ny 90mm ny rotsak’orana andrasana ao anatin’ny 24 ora). Fampitandremana miloko mena ho an’ireto toerana voalaza manaraka ireto: ANALAMANGA, ITASY, VAKINANKARATRA, AMORON’I MANIA, VATOVAVY, FITOVINANY, tapany Atsimon’ny faritra ATSINANANA sy ALAOTRA MANGORO.
Toky R sy Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT