Mbola miasa ny 70%n’ny orinasa ato Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina tsy araka ny voalazan’ny fitondram-Panjakana aza fa ny "services essentiels"
izay manao asa tena ilaina ihany no tokony hiasa. Manamafy izany ireo mpiasa mitanjozotra mamonjy ny toeram-piasany hatramin’ny alatsinainy teo, araka ny fanadihadiana nataon’ny FISEMA (Sendika Krisitianina Malagasy). Misy amin’ireo mpiasa nanaovan’ity sendika ity fanadihadiana no mipetraka lavitra ary tsy iantohana ny fitaterana, ka izay tsy miasa dia tsy hisy karama antenaina ihany koa amin’ny fandraisam-bola ; Ireo izay afaka mamonjy ny toeram-piasana indray dia maro no manao izay an-tongotra, na moto, na manana fiara sy misy manatitra no afaka miasa ary hahazo karama mifanaraka amin’ny ora iasana… Raha ny fijery ny zava-misy ankehitriny dia manahy ny FISEMA sao dia handamoka indray, ary mbola ho fatiantoka ara-toe-karena sy sosialy toy ny teo aloha izao fihibohana fanindroany izao, satria tsy voahaja mihitsy ny fepetra hifehezana ny fipariahan’ny valan’aretina; ny toeram-pitsaboana rahateo efa tsy mandray intsony. Mangataka ny fitondram-panjakana ity sendika ity hitondra fanazavana ny amin’ny fepetra ahazoan’ny orinasa miasa sy mamory olona mihoatra ny 50, izay orinasa afaka haba ny ankamaroany. Toy izany koa ny fanampiana tokony omena ny mpiasa tsy afa-miasa tsy fidiny noho ny tsy fisian’ny fitaterana sy ny fahalaviran’ny toeram-piasana, satria maro ny mpiasa mipetraka ivelan’ny Boriborintany enina eto an-drenivohitra. Mangataka mangarahara ny amin’ireo vola avy amin’ny mpamatsy vola tokony hanohanana ny sehatra tsy miankina - indrindra ny mpiasa - hiatrehana ny valan’aretina covid-19 ihany koa ny FISEMA.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.