Actualités

Antananarivo sy ny manodidina Maloto rivotra noho ny doro tanety sy setroka


  • Alatsinainy 16 Novambra 2020

Ahitana faritra mavo matevina indray eny amin’ny habakabaka eo anelanelan’i Moramanga sy Mandraka amin’izao. Setroka fiara sy moto mitambatra sy ny setroky ny doro tanety miampy ny fandoroana biriky ety an-tanety no mahatonga izany,

 

 antony miteraka ny fahalotoan’ny rivotra izay tonga hatraty amin’ny Faritra Analamanga raha araka ny fanazavan’ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy Rtoa Baomiavotse Raharinirina. Maro ny aretina mety aterak’izany hatrany hoy izy toy ny aretin-tratra izay mety hamely ny ankamaroan’ireo ankizy madinika sy ireo olona efa nahazoazo taona…. Hisy araka izany ny fandrafetana rafitra vaovao hahafahana miady amin’izany ho tombontsoan’ny rehetra. Nomarihin’ity minisitra ity manokana moa fa anisan’ny mampiantona ny orana ihany koa ny fisian’ity faritra mavo matevina miantona eny amin’ny habakabaka ity ka mampahazo vahana ny hafanana izay mampitaraina ny maro mihitsy indraindray.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT