Antananarivo sy Mahajanga

Milamina kely dia miverina amin’ny heriny ny delestazy…


  • Talata 27 Aogositra 2024

Tsy mety afa-bela ary isan’ny mizaka ny mafy indrindra amin’ny fahatapahan-jiro lava sy lavareny ny ao Mahajanga.

Tsy ilaozan’olona sy tsy tena misy andro mihiratra, fa vao mba mitady hilamina kely, dia tratry ny fahatapahana goavana. Rehefa tsy tara na tsy misy ny solika, dia mitranga ny olana ara-teknika. Tao anatin’ny andro vitsivitsy no efa nihamafy indray ny fitarainana, ka nilaza ny Jirama Boeny omaly, fa misy olana ara-teknika amin’ny milina iray lehibe izay mamatsy ny herinaratra, ka tsy maharaka ny ny filan’ny mpanjifa ny vokatra tsinjaraina. Ho an’i Mahajanga dia nisy fotoana maharitra 3 andro ny fahatapahan-jiro. Vao misy fahatapahana ny herinaratra any an-toerana, dia tapaka manaraka an’izay ny rano satria angovon’aratra no manodina azy. Asa rahoviana vao tena hivaha ? Ho an’ny eto Antananarivo, tsapa sy tsikaritra aloha fa mba niha nalefaka ny fahatapahana tato ho ato, indrindra taorian’ny nilazan’ny Jirama fa nahomby ny fandatsahana orana artifisialy ny herinandro lasa teo. Enga anie mba hitohy ny tsy fahatapahana satria tena potika ny fihariana maro miankina amin’ny angovo sy herinaratra ! Ho izay ve anefa no hitranga ? Manomboka ranolava indray mantsy ny seraseran’ny Jirama ka omaly izao dia nisy ny filazana fa noho ny olana ara-teknika amin'ny tambazotra mamatsy herinaratra, olan’ny milina G1 any Andekaleka, dia voatery misy fahatapahana amin’ny toerana maro amin’ireo distrika manodidina sy ny faritra sasany eto Antananarivo anio. Manomboka mitombo ihany koa ireo fanapahana izay misy ny ambara fa noho ny fikojakojana mahazatra, fikojakojana isan-taona, fanoloana fitaovana,… izay efa voalohatra ny hatramin’ny 05 septambra ary anatin’ny ora tena maharitra ny sasany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT