ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Tsy ho mora ny miandry ny ben'ny tanàna vaovao eo


  • Alakamisy 12 Septambra 2024

Voasokajy ho anisan'ireo renivohitra maloto sy mikorontana indrindra eto ambonin'ny i Antananarivo.

Mivezivezy ora iray mitety ireo faritra misy tsena sy mpivarotra amoron-dalana dia efa mahita porofo hita maso sy ren'ny orona tsara momba izany. GABORARAKA Amin'izao taona 2024 izao dia mbola misy posy sy sarety entin-tanana mivezivezy isan'andro mitety faritra eto Antananarivo. Misy omby mandeha an-dalambe ihany koa, maro be ny fokontany ahitana fiompiana izay tay tokony hatao an-drenivohitra fa eny ambany vohitra ary amina toerana voatokana ho amin'izany. Loto eraky ny tanàna, mifangaro ny fiara, moto, bisikileta, olombelona , mpivarotra amoron-dalana sy anaty arabe. Samy manao izay tiany ireo mpivarotra hani-masaka...hita mitety ireo araben'ny renivohitra ny kalesy mitondra akondro, ary amin'ny fotoana rehetra. Tazana ho very fanahy mbola velona ireo polisy mpandamina ny fifamoivoizana rehefa tonga ny "heure de pointe" satria na hitsoka kiririoka mafy be toa inona, na mahita paikady handaminana ny mandroso sy miverina dia ny teo ihany no mbola eo. Gaboraraka ny fifamoivoizana, tsy ampy ireo mpampiasa lalana intsony ny arabe. LOTO Firifiry ny lakan-drano sy tatatra vaky ka manamaimbo tanàna ny rano maloto sy ny fako hafa nisy nanary tao anatin'izy ireny. Mbola tena mila ezaka be ny fanabeazana sy fitaizana ny mponina ny amin'ny fitandroana ny fahadiovan'ny tanàna. Toa lasa fomba amam-panao ny manipy fako sy ranon-dolana eny an-dalambe. Firifiry ny tokantrano, tsy tahotra tsy henatra fa dia mamoaka ny rano maloto sy efa niasa tao aminy ety amin'ny lalam-bahoaka.Mbola resaka hafa ny tsy fandriampahalemana, halabotry, fanendahana, sy ny maro hafa. Ny dikan'izany rehetra izany dia asa mafy no miandry izay ho ben'ny tanàna manaraka eo , tsy vitan'ny kabary sy fampanantenana na fanakianana izay nitantana teo aloha fa tena mila paikady sy fandaharan'asa matotra, misy tetiandro mazava, mila mahita moiara-miombon'antoka sy loharanom-bola matanjaka ary ny tena goavana dia manana fahasahiana hampihatra ny lalàna. Mazava ho azy tsy maintsy mafy be ny fanabeazana ny mponina. Tsy ho vita anefa izany rehetra izany raha toa ka mbola atao kianja filalaovana politika avo lenta hikendrena toerana sy voninahitra Antananarivo.
RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT