Actualités

Antananarivo Renivohitra: Tratra ireo mpangalatra raindahiny


  • Zoma 29 Janoary 2010

Tratry ny Zandary avy ao amin’ny Borigadin’Antananarivo Renivohitra ny 26 janoary 2010 ny andian-jiolahy miisa 4, mpamaky trano ikoizana amin’iny faritra Ambanidia sy ny manodidina iny.

 

Avy namaky  cyber café iray teny an-toerana izy ireo ny alin’ny 25 hifoha 26 janoary 2010 ka solosaina miisa 06 miaraka amin’ny unités centrales sy imprimante no nalain’izy ireo tamin’izany, izay mitentim-bidy ariary 5.000.000 eo ho eo. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Zandary sy ny mponina manodidina no nahatrarana  ireo entana nangalarina sy ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamin’izao halatra izao.
Fitaovana toy ny barres à pince sy faux-clés no ampiasain’ireto jiolahy ireto. Teo am-panomanana ny  fomba hivarotana ireo solosaina izy ireo no tratry ny vela-pandriky ny Zandary avy ao amin’ny Borigadin’ny Zandarimaria Antananarivo renivohitra ka izao voasambotra izao avokoa.
Natolotra ny Fampanoavana ny Alarobia 27 janoary 2010 ireto jiolahy ireto  taorian’ny famotorana azy ireo ary, notanana  am-ponja vonjimaika avokoa mandra-piandry ny fotoam-pitsarana.
 
Nangonin’i RABE.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT