Actualités

ANTANANARIVO RENIVOHITRA Tontosa didimpoitra faobe.


  • Zoma 25 Jolay 2014

Tahaka ny efa fanaon’ny avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra isan-taona dia nisy indray ny hetsika didimpoitra faobe natao tetsy amin’ny BMH Isotry omaly alakamisy

Tonga nanokatra ny hetsika tamin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny delegasionin’Antananarivo Renivohitra Ny Hasina Andriamanjato sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Ny anton’ny hetsika raha ny nambarany dia ho fanampiana ireo ankohonana sahirana nefa maniry ny hanao hasoavana ny zanany. Nomarihany mantsy fa manodidina ny 30.000 ka hatramin’ny 100.000 Ar ny saran’izany ho an’irony antsoina hoe hasoavana amin’ny fomba amerikanina irony. Niisa 40 ireo ankizy vita hasoavana  tao amin’ny  BMH Isotry omaly io, ary nisandrahaka tamin’ireo boriborintany enina  avy eto Antananarivo Renivohitra. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina sy ny  orinasam-pifandraisana  airtel tamin’izao  hetsika izao ka ity farany dia nanolotra vola mitentina  3.480.000 Ar ho fanampiana. Hitohy isaky ny zoma ny hetsika ary eny amin’ny  CSB II manerana ny tanàna no hanatanterahana izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT