Antananarivo renivohitra

Ny fako mbola misavovona, ny lalana miha potika


  • Talata 06 Febroary 2024

Ny fako mbola misavovona, ny lalana miha potika. Izay hatreto no azo h

amintinana ny zava-misy eto Antananarivo renivohitra. Renivohitr’i Madagasikara! Hatramin’ny lalana eo ambonin'ny CHUJRB Befelatanana, miakatra makany amin’ny Fort Voyron avy no miha rotika. Raha nampikaikaika teo aloha teo ny mandalo an’iny Ankazomanga sy 67ha iny dia manomboka miha “bombo voanjo”, araka ny fomba fiteny mahazatra, koa ankehitriny iny miditra an’Ampandrana Bel’air iny. Ny fiara madinika dia mikasoka avokoa raha mandeha midina ankavanana eo amin’ny lalana miakatra an’i Fort Voyron, hoy ny nambaran’ny mpampiasa lalana iray. Mila mandeha amin'ny ilany nefa tsy fantatra mihitsy izay mifanena ao ambadika ao, hoy hatrany ny fitarainana. Asa hoe rahoviana indray vao ho avy amin’ireny toerana ireny ny tomponandraikitra? Rehefa tonga eny koa anefa dia fanontaniana mipetraka hatrany ny hoe hi-werawera fotsiny indray ve sa tena hamaha olana?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT