Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.
Nahatratra 200 isa izany ho an’ny polisy monisipaly raha miisa 100 kosa no hanampy ireo efa amperin’asa ho an’ny mpamonjy voina. Nahavita fiofanana nandritra ny herin-taona mahery izy ireo ary navoaka tamin'ny fomba ofisialy omaly Alarobia 24 aprily. Hiara-hisalahy amin'ny famerenana ny hasin'Antananarivo izy ireo 300 ireo raha araka ny fantatra . Hanampy amin'ny fandaminana, indrindra fa ny lalana sy ny tsena ireo polisy monisipaly ka anisan’ny asa mahavaivay voalohany hiandry azy ny fisian’ilay tsena vaovao kasain’ny kaominina hatao etsy Analakely. Any amin’ny fisorohana ny mety ho fihitaran'ny afo raha sendra fahamaizana kosa no ilana ireo mpamonjy voina raha ny nambaran'ny Filohan'ny delegasiona manokan'Antananarivo, Ramanambitana Richard. Horaisina ho mpiasa raikitra eo anivon'ny kaominina Antananarivo renivohitra avokoa moa izay misalotra ny anarana indray mihira « Tselatra ».
Pati
Legende : Nandritra ny lanonana famoahana ireo andiany omaly !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.