Actualités

Antananarivo renivohitra Nesorina ireo box sy kioska miorina tsy ara-dalàna


  • Zoma 15 Mey 2020

Mitohy hatrany ny asan’ny kaominina Antananarivo renivohitra na dia ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana tanteraka aza isika.

 

 

Nanomboka afaka omaly Alarobia dia nesorina avokoa ireo box nanaovana tsena sy kioska rehetra miorina tsy ara-dalàna eto an-drenivohitra toy ireo mibahana eny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra…. Tetsy Anosy no nisantarana izany ary mbola hitohy manerana an’Antananarivo renivohitra. Nambaran’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina tamin’izany fa tsy azo ekena ny fanararaotana hataon’ny sasany ao anatin’izao ady amin’ny fiparitahan’ny Covid 19 izao. Ankoatra izay dia roso tamin’ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana manoloana ny radio nasionaly Malagasy etsy Anosy ihany koa ny mpitandro ny filaminana, omaly. Tanjon’ny roa tonta moa ny hialana amin’ny famorivoriana olona amina toerana iray ho fiarovana amin’ny fiparitahan’ny aretina ankoatra ny fampanarahan-dalana ny olom-pirenena.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT