Actualités

Antananarivo renivohitra Mpitandro ny filaminana 3000 no indray hahetsika


  • Alatsinainy 22 Jona 2020

Vonona tanteraka amin’ny fandraisana ny tsingerin-taona faha-60 niverenan’ny fahaleovantena ny kaominina Antananarivo renivohitra.

 

 

 

 

 Na dia tsy lanonana manetriketrika toy ny mahazatra isan-taona aza mantsy no hotanterahina dia hatao amim-pahamendrehana tanteraka izany. Hisy ny famendrahana ranom-panafody ny ao Analakely sy ny manodidina araka izany arahin’ny asa fanadiovana ho fitandroana ny fahasalaman’ny rehetra. Hisy ihany koa ny lalana ho tapaka manomboka ny vao maraimbe ny datin’ny 25 jona izany hoe : ny alakamisy ho avy izao, raha ny marainan’ny 24 jona sisa no azo hivarotana ny eny an-toerana. Ho voakasik’izany ny eny Tsaralalana, ny miditra avy any Antanimena…. Mpitandro ny filaminana manodidina ny 3000 isa no indray hohetsehina mandritra izany. Tsiahivina moa fa tsy azon’ny besinimaro hatrehina ny matso hotanterahina eny amin’ny kianjan’ny fahaleovantena saingy kosa handeha mivantana amin’ny haino aman-jerim-panjakana, koa hasaina ny rehetra hanaraka izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT