Efa azo ambara ho miverina amin’ny laoniny ny fiainan’ireo mponina eto Antananarivo renivohitra, raha mijery ny zava-mitranga eny amin’ny
fiarahamonina isan’andro hatramin’izay nilazan’ny filoham-pirenena fa ho alefahana izay ny fepetra hiatrehana izao krizy ara-pahasalamana izao. Miverina ny fifanaretsahana eny an-tsena sy eny amin’ireo toerana be mpivezivezy nahazatra hatramin’izay. Miverina toy izany ihany koa ny fitohanan’ny fifamoivoizana amin’ny ora mahabe mpampiasa ny lalana. Efa zary naman’ny sery madinidinika na aretin’andoha mandalo ny fahitan’ireo mponina eto Antananarivo ilay Covid 19, raha ny fihetsika ivelany asehony. Tsy nahafaty olona an-jatony toy ny tazomoka sy dengue rahateo koa moa ilay ka dia izay angamba no iheveran’ireo mponina azy ho azo hiaraha-miaina sy resana mora toy ireo aretina madinika hafa rehetra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.