Antananarivo renivohitra

Misy fiara tsy misy laharana mitondra ny mpitandro filaminana


  • Alakamisy 05 Oktobra 2023

Tazana teny Anosy ny talata lasa teo nandritra ny hetsiky ny « collectif des candidat » ny fiara 4x4 Pick up iray ,

Marika Mazda.Tsy misy laharana mazava tahaka ny fiara rehetra. Tsy misy na ilay laharana ho an’ny fiara vaovao, na ny laharana ho an’ny fiara efa nahavita taratasy sy nahazo laharana ara-dalana ity fiara 4x4 pick up tazana teny Anosy ity.Olona manao fanamiana mpitandro filaminana, no tazana niaraka taminy ; heverina fa tsy mpisandoka fa tena mpitandro filaminana am-perinasa.Velom-panontaniana ny maro : fa efa azo atao ve izany ny mitondra fiara tsy misy laharana mivezivezy eraky ny tanàna ? Ary ny tena Mahavalalanina dia ampiasaina mpitandro filaminana izay tokony ho fitaratra amin’ny fanarahana fitsipika sy fanajana lalana ilay izy. Tsy hoe fiaran’izy ireo manokana fa fiara nomena mba ampiasaina eo am-panatanterahana ny asa. Ka iza izany no mampijabaka mpitandro filaminana tahaka izao. Ny alatsinainy lasa teo dia efa nisy nahatsikarina teny Analakely iihany koa ny fiara, mbola 4x4 mbola pick up ihany saingy miloko fotsy kosa, tsy misy laharana ihany koa ary mbola nitatitra mpitandro filaminana hatrany.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT