Actualités

Antananarivo Renivohitra Miroso amin’ny fanatsarana ny tanàna


  • Zoma 08 Septambra 2017

Nitondra fanamarihana ny CUA manoloana ny resabe voizina an-gazety sy amin’ny haino aman-jery sasany fa namidin’ny kaominina Antananarivo amin’ny vahiny ny tany na ny “Esplanade” etsy Analakely.

Nomarihiny fa ny fanapahan-kevitra toy ny famarotana tany na tranon’ny kaominina dia tsy maintsy mandalo fanapahana na “délibération” eo anivon’ny mpanolotsain’ny tanàna avokoa, avy eo dia mbola ankatoavin’ny “Prefecture de Police” raha manaraka ny lalàna. Nohamafisin’ny Fiadiadiana ny tanàna fa ny fanavaozana ireo “Pavillons” vaovao amboarina eo amin’ny Esplanade dia famatsiam-bolan’ireo mpivarotra tao ihany, ary izy ireo ihany no hiverina hivarotra sy hampiasa io toerana io rehefa vita. Ny fotodrafitrasa kosa dia mijanona ho an’ny tanànan’Antananarivo, hanatsarana hatrany ny renivohitra, araka ny tarigetran’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT