ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Miala any indray ny rano be


  • Talata 24 Oktobra 2023

Mbola tsy fotoam-pahavaratra akory diab efa faritra maro eto ann-drenivohitra no dibo-drano

raha vao avy ny orana. Vao andro vitsy izay no nirotsahan'ny orana kanefa dia efa tsy ahafahana miampita ireo faritra tahaka an'Andrefanambohijanahary, Soanierana ,Anosy, Besarety sy ny maro hafa. Asa mahazatra sy tokony ho ataon'ny kaominina ary efa misy tetibola nanokana ho an'izany ny fanadiovana ny lakan- drano mandritra ny mainn-tany. Nisy ve anefa izany asa izany raha izao zava mitranga izao. Rotsakorana tsy nisy 30 minitra akory omaly tolakandro dia efa lasa dobo filomanosana ny arabe teny amin'ny Chocolaterie Robert ka hatreny am tobin-dasantsy galana Soanierana. Ny eny Besarety moa na dia teobasa ny fanamboarana ny tatatra sy ny sisin-dalana ary ny arabe dia tahaka ny omaly ihany ny anio, ranobe hatrany am-balahana. Sahirana ireo mpandeha an-tongotra mirava avy miasa sy mianatra, tsy maintsy mirobo-drano na dia hoditra sy hiala taxibe aza. Tsy fahampian'ny tatatra sy tsy fisian'ny lalan-drano noho ny fanotorana tany sy fanorenana be loatra amin'ireo lemaka rehetra eto Antananarivo moa no mahatonga ny fangonan'ny rano ho haingana be.
Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT