Actualités

Antananarivo renivohitra Ifanilihana ny fanesorana ny fako


  • Zoma 13 Novambra 2020

Nanaitra ny nahita tamin’ny fampahalalam-baovao mpanohana fitondrana ny 12 novambra lasa teo tamina lohateny lehibe amin’ny teny vahiny adika tsotsotra hoe: “Fandraofana ny fakon’Antananarivo, fa inona no ataon’ny SAMVA?”

 

 

Toa natao hiarovana ny Ben’ny tanàna sy ny fiadidian’ny tanàna eo anatrehan’ny tsy fahafahan’ny fakon’ny Renivohitra araka ny tokony ho izy io. Efa iray tadin-dokanga ny Ben’ny tanàna sy ny Fanjakana Foibe tarihin’i Andry Rajoelina amin’izao fotoana izao, saingy mbola eo ihany ilay fako politika niniana tsy nesorina tamin’ny propagandin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo mba hanenjehana ny mpitantana tamin’izany, na nilaza ary izy ireo fa nahaloa ara-dalàna ny 4 miliara ariary anjarany amin’ny fanalana fako tamin’ny SAMVA. Eo ambany fiahian’izy marina moa izany ny SAMVA amin’izao? Angaha tsy efa naverina eo ambany fiahian’ny CUA sa mbola any amin’ny Minisiteran’ny rano? Samy Fanjakana daholo izany ary ny fantatry ny olona dia ny fako tsy voaala ara-dalàna, kanefa tsaroana ny fihetsiketsehana be tamin’ny kamio navoaka nanaovana propagandy nandritra ny fampielezan-kevitra. Maro ny mety ho anton’izao olana izao: ara-bola, ara-pandrindrana, ara-pitantanana,… Ny fiadidian’ny tanàna, toa lany andro miady an-trano, mandrava hefa, mila vaniny.Tsy vita tsara ny asa momba ny fanangonana sy fanesorana ary fitaterana ny fako satria misy fifanilihan’andraikitra ao.

 


 Mitarika ny saina hitodika hatrany any amin’ny hoe: sao dia tsy tokony hasiana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra fa iandraiketan’ny Fanjakana foibe ka tsy ho lasa sorona ara-politika hatrany. Rehefa tsy ny avy amin’ny eo mpitondra foibe no lany, dia tratry ny kapa ranjo izay lany eo. Noho ny tantara nisy, mety hanana tanjona haka ny toeran’ny Filoha na ahian’ny eo amin’ny fitonndrana hanao izany ka mety mandeha ny kapa ranjo mivantana na an-kolaka.

 

Toky R

 

 

Haut du formulaire

Bas du formulaire

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT