Actualités

Antananarivo renivohitra Hangatsiaka be ao anatin’ny 3 andro


  • Alarobia 10 Jona 2020

Hiaina ao anaty hatsiaka tanteraka isika eto an-drenivohitra ato anatin’ny telo andro raha araka ny vinavinan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby.

 

 

 Hanjombona tanteraka ny andro indraindray ary mety hisy erikerika madinika mihitsy manerana ny faritra maro toy ny faritra Atsinanana, atsimo atsinanan’ny Nosy. Raha 11 °C ny maripana farany ambany teo aloha dia hidina hatrany amin’ny 10 °C izany raha 20 °C kosa ny farany ambony indrindra. Mety hidina hatrany amin’ny 8 °C izany ho an’Ambatolampy sy Antsirabe izay tena renivohitry ny hatsiaka tokoa rehefa vanim-potoanan’ny ririnina tahaka izao. Mbola noho ny fitsokan’ny Alizay avy any Atsinanana hatrany moa no mahatonga io maripana hidina ambany io noho izany mila mitandrina ny rehetra. Fotoana tena tian’ny coronavirus rahateo ny andro mangatsiaka tahaka izao. Ilaina hatrany araka izany ny mihinana sakafo mafana sy ara-pahasalamana. Lohalarahana amin’ireny ny ana-maitso, ny legioma, ny voankazo karazany dimy isan’andro raha araka ny toro-hevitry ny mpitsabo. Ny sakafo mitondra hafanana toy ny voanjo, ny misy lafarinina. Tsy adino ireo mitondra proteina ho an’ny vatana toy ny trondro, ny hena, ny atody.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT