Actualités

Antananarivo renivohitra Asiana “police mobile” manerana ny Fokontany rehetra


  • Zoma 25 Jolay 2014

Ho tohin’ny ezaka entina mampandry fahalemana ny tanŕna rehetra eto Antananarivo dia misy ny paik’ady vaovao noraisina

Nambaran’ny  avy  eo  anivon’ny seraseran’ny polisim-pirenena   ny kaomisera Ranaivoson Alexandre fa ho fanamafisana ny ady  atao amin’ny tsy fandriampahalemana dia hezahina ny hanisy polisy mandehandeha tsy tapaka manerana ny fonkotany rehetra ato anatin’ny  boriborintany valo eto  Antananarivo Renivohitra. Nambarany hatrany fa ny  tanjona amin’izao  hetsika izao dia ny hampihena  hatramin’ny fotony ny asa tsy fandriampahalemana, indrindra eny amin’ireny tanàna mafana  sy faritra mena ireny. Tsy maintsy misy anefa ny fiaraha-miasa amin’ireo vaomieran’ny fandriampahalemana eny amin’ireo fokontany tsirairay noho izy ireny mahafantatra tsara ny tanàna iadidiany. Efa misy ihany koa ny fomba ifampiseraserana raha sanatria ka mifanalavitra ny mpitandro ny filaminana sy ny  andrimasom-pokonolona nefa misy tampoka ny tranga tsy ampoizina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT