Actualités

Antananarivo Renivohitra Asa indray izay hiatrehana ny fahavaratra


  • Alakamisy 01 Oktobra 2020

Raha ny fandaharana manokana nanasaina ny ben` ny tanàna Naina Andriantsitohaina tamina haino aman-jery no jerena dia tena ho paradisa I Antananarivo ato ho ato.

 

 

 

Iza moa no tsy miandrandra izany? Apetraka ny fitsipi-pitondra-tena eo anivon` ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny fanajàna ireo fitsipika moa no andrasan` ny fiadiadina ny tanàna. Ny vahoaka kosa anefa dia miandrandra vokatra. Manitsaka ny volana oktobra isika izao, izany hoe vanim-potoan` ny fahavaratra. Orana ao anatin’ny adim-pamataran’andro dia efa dibo-drano tanteraka Antananarivo Renivohitra hatramin` izay. Miakatra ambony ny rano tamin’ny faritra maro toa an’i Besarety, Ampefiloha, Isotry, Ankazomanga, Andravoahangy, Ambohijatovo, 67ha, Petite vitesse, Analakely… Tsy maharaka ny fiboiboikan`ny ranon`orana ka tondraka ny faritra iva. Tsy vitan’izany aza fa misy tany nihotsaka. Olana miverina isaky ny fahavaratra ny ranobe miandrona tsy misy ivarinany eto Antananarivo. Efa nisy ihany ny fanadiovana ny tatatra nataon’ny kaominina, saingy mbola maro ny olona manary fako tsotra izao ao anatin’ireny lakandrano ireny, ka manentsina izany. Matoa miteraka korontana marobe ny orana toy ireny dia tsizarizary ny foto-drafitr’asa tokony hisorohana izany ary tsy misy fanapahan-kevitra matotra sy iombonana avy amin`ireo tomponandraikitra. Raha mitaky fanovana toe-tsaina moa ny mpitantana dia miandry vokatra goavana aminy ny entina.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT