Actualités

Antananarivo Nitety tanàna ireo fiara mifono vy


  • Alakamisy 09 Aprily 2020

Ara-bakiteny ny fahatanterahan’ny teny hoe rava ny tsena omaly teny Analakely, Behoririka, Andravoahangy sy ny manodidina rehetra iny.

 

 

 Notetezin’ireo fiara mifono vy mihitsy miaraka amina mpitandro filaminana maro nirongo basy ny fitsirihana ireo toeram-pivarotana mbola tsy manidy tsena amin’ny lera tokony hanaovan’izy ireo izany sy, mazava ho azy, ny fanaraha-maso ihany koa ireo olompirenena tsy mety mihiboka. Toy ireny tany miady ireny mihitsy I Madagasikara, ny teto Antananarivo moa izany no marimarina kokoa. Mafy nohon’ny ady, hoy ny mpitondra fivavahana iray izay, no hatrehina ankehitriny satria fahavalo tsy hita maso ny Coronavirus. Voaporofo amin’ny zava-miseho sy ny fepetra rehetra fa anaty krizy ny firenena. Toy ny tamin’ny andron’ny Kung fu ny taona 1985, ny tolon’ny herivelona tamin’ny taona 1991, ny hetsika tamin’ny 2002 sy 2009. Tamin’ireny fotoana ireny no nahitana ny toy izao farany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT