Actualités

Antananarivo Mirongatra sy mahazo vahana ny halatra tany


  • Talata 01 Aogositra 2023

Mirongatra sy mahazo vahana ny halatra tany eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Miseho amin’ny endriny maro samihafa

izany raha araka ny fanadihadiana natao. Anisan’ireny ireo tany efa misoratra amin’ny anaran’olona ary misy manodina avy eo indrindra fa ireo tsy mbola nananganana fotodrafitrasa na dia tamboho fotsiny aza. Toraka izany koa ireo efa nanangan-javatra ihany saingy varimbariana tsy mamindra ilay tany amin’ny anarany ny tompony ka voahodina ihany koa… Voavadik’ireo mpangala-tany amin’ny anarany mihitsy ireo tany ireo ka saika mahazo fitarainana sy mahita tranga tahaka izany avokoa ny ankamaroan’ireo Boriborintany sy kaominina eto an-drenivohitra sy ny manodidina rehefa voahilika eo amin’ilay tany ilay tena tompony. Ny tena mampalahelo amin’ity tranga ity dia karazana tambajotra mihitsy no manao ilay asa ratsy ka tokony hitandrina ireo tena tompon’ny tany. Tsiahivina moa fa na dia tany efa misy trano… izao aza ka hitan’ireo mpangala-tany fa azony hidirana dia mbola voahodiny ihany ary hahavitany taratasy hosoka mihitsy. Tafiditra ao anatin’ny laharana faharoa amin’ny ady hifanaovan’ny olona eny amin’ny tribonaly amin’izao moa ny resaka ady tany raha eo ihany koa ny fangatahana fisaraham-panambadiana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT