Actualités

Antananarivo mirehitra jiro Lasa Antananarivo mandrehitra kodiarana


  • Alatsinainy 30 Septambra 2024

Vazivazy fanao ankehitriny moa ity resaka nafarana sy ny tonga ity. Ankehitriny izany

izao dia Antananarivo mirehitra jiro no nafarana na nampanantenain’ny ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha izay nametra-pialàna na koa hoe nitsoaka an-daharana, Naina Andriantsitohaina. Ankehitriny ny tonga anefa dia Antananarivo mandrehitra kodiarana. Sesilany izany, isaky ny fokontany, isan-kalina, ny herinandro teo. Saika naneho ny tsy fahafaliany mikasika ny fahatapahan’ny herinaratra hila tsy hiato sy ny fahatapahan-drano lavareny avokoa ny isam-pokontany teto Antananarivo renivohitra. Efa samy nahitana izay hetsika fandoroana kodiarana sy fanakanan-dalana na fitokonana amin’ny alina izay avokoa izany izao ny ankamaroan’ireo fokontany eto Antananarivo renivohitra toa an’Analamahitsy, Amboditsiry, Ambatomaro, Ankatso, Anjanahary II O, Ambohitrakely, 67ha sy ny maro hafa. Asa hoe hiitatra hatraiza izany vao hisy amin’izay ny vahaolana tena maharitra mikasika ity olana goavana nirongatra tao anatin’ny 15 taona mahery tsy mety voavaha ity. Ny tale jeneralin’ilay orinasa tokony hisahana izany anefa, raha tsiahivina, dia karamaina volabe 710.000 Dolara na 3.195.000.000 Ariary eo ao anatin’ilay 4 taona nifanarahana, izany hoe, 2,2 tapitrisa Ariary isan’andro. Izao vao mainka fitomboan’ny fahasahiranana izao ve izany no nandrasan’ny fanjakana malagasy taminy? Izao ve izany no vahaolana nandrasana ho entiny?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT