Niakatra ny tahan’ireo fiara mihoatra ny 15 taona mifamoivoy eto Antananarivo nandritra ny telovolana voalohany tamin’ity taona 2014 ity, hoy ny Ivontoeram-pirenena mikirakira ny antontanisa.
Ny 19,9%-n’ireo fiara nahazo laharana vaovao teo anelanelan’ny volana janoary sy martsa 2014 mantsy dia fiara efa niasa mihoatra ny 15 taona. Nahitana fitomboana 2,7% io tarehimarika io raha oharina amin’ny telovolana farany tamin’ny taona 2013. Nisongadina ihany koa ny fiara madinika fampiasan’ny isan-tokantrano tamin’ny telovolana voalohan’ny taona 2014 izay nitombo 0,6%. Ireo fiara kodiarana roa kosa no nanjaka nanomboka ny telovolana faharoan’ny taona 2009 hatramin’ny telovolana faran’ny taona 2013. Nahatratra 39,8% no nahazo laharana vaovao tamin’io vanim-potoana io raha nidina kely ho 34,5% izany ny telovolana voalohan’ny 2014. Nihena 4,5% ny isan’ireo fiara nahazo laharana vaovao ny volana janoary hatramin’ny martsa 2014. Ny 51,2%-n’ireo fiara naka laharana dia vaovao avokoa nandritra io fe-potoana io, araka ny antontan’isa navoakan’ny INSTAT ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.