Actualités

Antananarivo Mbola azo lazaina ho Renivohitra ve ?


  • Alatsinainy 06 Martsa 2023

Mampiteny ny moana ny fihemoran’ny tanànan’Antananarivo. Betsaka ny zavatra tsy mandeha amin’izay laoniny fa mikorontana ambony ambany,

ny fotodrafitrasa sy ny làlana miha potika, ny fandaminana sy fandrindrana ny tanàna tsy mandeha amin’izay laoniny, ny fako mameno tanàna, ny lakan-drano tsentsina ka vao avy kely ny orana dia maro ny faritra dibo-drano,… Mijery ny ankamaroan’ny làlana manerana ireo boriborintany enina eto an-drenivohitra, dia mametra-panontaniana mihitsy hoe: mbola azo lazaina ho Renivohitra ve Antananarivo? Misy dia potika tanteraka, ao ny efa mamotaka mandrevo tahaka ireny làlana any ivelan’ny renivohitra ireny. Iza làlana mba tsaratsara indray ifampizarana amin’ny mpivarotra amoron-dàlana. Efa lasa ny kajy politika rahateo no mibaiko, ka aleo hiafiana izay ataon’ny mpivarotra amoron-dàlana sao tsy ho azo ny vatony amin’ny fifidianana. Fa inona marina no asa sy laharam-pahamehan’ny kaominina fa toa arakaraka ny fampitadiavana ny fampidiram-bola samihafa no vao mainka mihemotra ny tanàna? Eo ny voka-dratsy ateraky ny toetra amam-pihetsiky ny mponina, fa isan’ny fositra ihany koa ny tsy fahaiza-mitantana sy mandamina. Tsy arakaraka ilay fampanantenana sy ny toromarika tany amin’ny propagandy hoe: raha tiana handroso ny tanàn-dehibe dia aleo mifidy olona iray antoko amin’ny Fanjakana foibe? Mby aiza izany izao? Izao ve ilay hoe: Antananarivo tsy maintsy mandroso.
? Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT