Actualités

Antananarivo Hipoka olona hatrany ny maraina


  • Talata 07 Aprily 2020

Taorian` ny kabarin` ny filoham-pirenena, izay nilaza fa nitarina 15 andro ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amin` ny tany sy ny firenena dia toa lasa fahazarana sisa izany ankehitriny.

 

 

 

 Hipoka olona ny arabe eto Antananarivo renivohitra sy amin’ireo kaominina manodidina azy, miverina manao taingin-droa ireo « moto », tsy voahaja ny elanelana iray metatra, … Toa hamaivanin’’ny olona ny aretìna “coronavirus” rehefa maraina. Tsy mampiraiky ny vahoaka mihitsy ny loza mitatao ho azy. Toy ny hoe manari-dia ny maraina fa tsy maintsy mivoaka ka aleony misangy amin` ny loza ateraky ny aretina. Milamin-tsaina ny rehetra mamonjy fodiana avy eo ka ny folakandro vao tena fihibohana; nefa misy tazana mbola miriaria eny an-dalambe ihany. Mitombo isa hatrany anefa ny tranga voamarina eto amintsika isaky manao tatitra ireo tompon’andraitra ara-pahasalamana. Ny filoham-pirenena dia efa nanome ireo toromarika iatrehana izany. Ny fihibohana dia tena ilaina saingy indrisy fa maro no mbola tsy manaraka azy . Fihibohana amin` ny ampahany no handraisan` ny olom-pirenena azy sisa ankehitriny. Mety hampiova izay fomba amam-panao izay ve eo amin` ny olom-pirenena raha toa ka mandray fepetra hafa hentitra kokoa ny fanjakana? Ny toromarika amin` ny haino aman-jery dia hoe : “mijanona ao trano satria izay no fomba mahomby indrindra tsy hahazoana ny otrik’aretina Covid-19.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT