Actualités

Antananarivo Firavaka volafotsy indray no alain’ny mpanendaka


  • Zoma 09 Oktobra 2020

Mila mailo hatrany isika tia manao firavaka eto an-drenivohitra, indrindra fa ny vehivavy.

 

 

 

Raha efa tsy misy manao firavaka volamena intsony ny rehetra amin’izao rehefa hivoaka ny trano noho ny tahotra ireo mpanendaka dia any amin’ny firavaka volafotsy indray ireo tsy mataho-tody no manampatra ny fahaiza-manaony. Tovolahy kely iray no tratran’ny polisy nandrirotra rojo volafotsy teny an-tendana Ramatoa iray tao anaty taxi-be teny amin’ny parking 67 ha ny 06 oktobra lasa teo. Nandritra ny fotoana nijanonan’ilay taxi-be no nisehoan’izany ka lasa nitsoaka ilay tovolahy avy eo. Soa ihany anefa fa tsy lasa lavitra ity farany dia tratran’ny polisy ka nentiny nanaraka azy avy hatrany. Mbola hita teny amin’ilay tovolahy moa ilay firavaka nosintoniny ka naveriny tamin’ilay Ramatoa tompony izany. Natolotra ny fitsarana afak’omaly alarobia ny tovolahy.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT