Antananarivo Avaradrano

Notokanana omaly ny fonjabe sy ny Lapan’ny Fitsarana


  • Alarobia 16 Oktobra 2024

Notokanana omaly ny fonjaben’Avaradrano mivelatra amin’ny velarana 13 000m2 izay mahazaka olona eo amin’ny

900 isa izay nambara fa hahafahana manalefaka ny tsindry amin’ny fahabetsahan’ny olona ao Antanimora. Tahaka izany ihany koa ny ny Lapan’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eny an-toerana, izay miorina ao Ambohitrabiby. Mponina 563.000 amina kaominina miisa 39 no nambara fa hisitraka ny fijoroan'izany Lapan'ny Fitsarana izany. Nilaza indray ny Filoha ankehitriny, fa tanjona napetraky ny fitondram-panjakana ny hametrahana ny rafi-pitsarana manakaiky vahoaka ary fanamby napetrany ny tsy maintsy hametrahana lapam-pitsarana manerana ireo distrika 119 eto Madagasikara. Toromarika manokana ihany koa ny hamongorana tanteraka ny tambazotra mpangala-tany ka nilazana fa hiara-hiasa amin'ny fanatanterahana izany ny eo anivon’ny minisiteran'ny Fitsarana sy ny BIANCO. Andrasana indray izany ny vokatra !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT