Actualités

Antananarivo Atsimondrano Ho hentitra ny fitandroana ny fandriampahalemana


  • Alakamisy 25 Febroary 2010

Ho hentitra ny fitandroana ny fandriampahalemana manomboka izao ao anatin’ireo kaominina 26 isa mandrafitra ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

 

Nivoitra izany nandritra ny fivoriana fanao isam-bolana notontosain’ireo ben’ny tanàna tao amin’ny toeram-pilanonana Fitsikiana Ambodifasika Itaosy omaly Alarobia 24 febroary. Nanatrika  izany ny Lehiben’ny distrika sy ny lefiny roalahy niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra voalohany misahana ny filaminana toy ny komandin’ny brigady avy ao Itaosy, Fenoarivo ary Andoharanofotsy. Niompana tanteraka tamin’ny resaka fandriampahalemana ny dinidinika nandritra izany izay naharitra ora telo teo ho eo. Nirongatra izaitsizy mantsy tato ho ato ny asan-jiolahy ary saika namoizana aina sy fananana avokoa ny ankamaroany. Ireo kaominina ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano no tena lasibatr’izany indrindra ao Ambavahaditokana, Andranonahoatra ary Bemasoandro samy eny amin’ny faritr’Itaosy avokoa. Hisy, araka izany, ny fepetra horaisin’ny kaominina tsirairay avy hamongorana ireo tontakely sy jiolahy. Marihina fa ny kaominina Itaosy tarihin’ny ben’ny tanàna Randrianarisoa Jean Richard no nandray sy nampiantrano ny fivoriana tamin’io andron’ny omaly io. Tazana teny an-toerana ihany koa ny Commissaire centrale avy ao Tanjombato sy Itaosy.
 
Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT