Actualités

Antananarivo 5 taona tsy nety voavaha ny olan’ny fako


  • Alatsinainy 17 Aprily 2023

Iaraha-mahita ny olan’ny fako eto Antananarivo renivohitra tao anatin’izay 5 taona nandraisan’ny ben’ny tanana, Naina Andriatsitohaina, ny fitantanana ity renivohitr’i Gasikara ity izay.

Heverina ho nanam-bintana ihany anefa ity ben’ny tanana ity noho ny fananany mponina hendry ka tsy nanatanteraka ilay fampanantenany hoe atero any an-tranoko ny fako raha mbola misy tsy voaroaka. Ankehitriny, Amboditsiry, Ambohidahy, Andraisoro, saika amin’ireo toerana be mpandeha dia tsy misy tsy ahitana fako misavovona, izay azo antoka fa tsy maha vanombanona ny fahasalaman’ireo mponina manodidina izany ihany koa. Ny eny Andraisoro izany moa dia efa hila hitovy amin’ny aavon’ny trano misy rihana iray eny an-toerana mihitsy ny aavon’ny fako misavovona eo an-kilany eo, raha ny fitarainan’ny mpandalo iray ny sabotsy teo. Ny ben’ny tanana moa tsy misy ataony afa-tsy ny manao sangisangy zaritenany na manoloana ny lalana eto Antananarivo izay efa mitady ho lalan-tany tanteraka toy ireny any ambanivohitra ireny na manoloana ity olan’ny fako ity.
J. Mirija
Legende : Tahaka izao ny zavamisy eny Andraisoro
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT